Ampidiro aloha ny tenimiafina
Hanoratra ho anao (Namby Razafinjatovo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra ho anao aho,ho tsiaro sy ho porofo
fa mbola anao tokoa ny foko
Na dia eo aza ny elanelana
Ho koloiko mba hamelana
'Lay fitiavantsika mamy
Ka hanoratra aho androany
Hamafisiko etoana
Fa ny foko izao dia noana
Manina toa manirery
Mitalaho... tsy ampy hery
Tsy haiko, angamba ny mitia?
Tsy haiko ianao... mahazo fy?
Tsy haiko, hatraiza koa ny fetra?
Fa inty aho izaho rehetra
Hiezaka aho re ry aiko
Hitia anao ny fo sy saiko
Hiezaka aho hahay handrindra
Hoe ianao no ambony indrindra
--------
Lien:
Fans:
namby01
