VETSOMPO (ndrena2005)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOMPO

Lasa ny fisainako
Manotany tena
Fa iza loatra ianao
R'ilay namabo ny fitiavako

Namana tena namana
Mihoatra lavitra aza
Ahy ianao r'ilay malalako
Ary izaho anao hatrany

NY foko manantena
NY hiray aminao
fa lasa ny fisainako
hatraiza moa izany

Faniriako akia
Ny hiaraka aminao
Handeha hampiray fitia
Sa tsy marina izany?
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
908 4
Commentaires
finaritra05 ( 11/01/2006 08:49)
Mahay ilay namana ka! tena enao marina v no nanoratra an'io ? angamba ilay perfect!! arabaina ianareo mivady d mahareta hatramin'ny farany ê!
loula ( 11/01/2006 11:06)
Hay ve ity namako ity ,ka poety e!
Tohizo hatrany e!
Loula
eh ( 17/01/2006 08:12)
tsara fa tohizo fa manatalenta ilay namana, mahafinaritra ê!!
Imbolatiana ( 21/01/2006 05:55)
Tena efa matihanina amin'ny fanoratana mihitsy ianao an! Tohizo foana fa tsara e!
petiterose ( 15/02/2006 07:35)
Mirary soa hoan'ny mpanoratra e, mahafinaritra ny asasoratrao
Lili2004 ( 16/02/2006 08:21)
Tano hatramin'ny farany zany vetsom-po atolotrao ho an'ny malalanao izany de ho sambatra ianao sy ny tokantranonao, mahafinaritra ka
ninih ( 23/03/2006 15:51)
mafinaritra fa tohizo de mirary soa e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ndrena2005
Inséré par : ndrena
Date : 20/12/2005 14:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143