raha mbola misy (Njiva Rakoto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy hery,Azonao ihoarana;Nahoana no manaiky ho very,Ka tsy manohy ny lalana. Raha mbola misy fahafahana ,Ahafahanao mitolona;Nahoana no mikorosofahana ,Ka tsy manaiky hanao sorona. Raha mbola misy ihany teny ,Izay azonao hambara;Nahoana no avela ho fery,Ho toy ny famoizan-tsara. Raha mbola misy lalana,Azonao hidirana;Nahoana no tsy mandray an-tanana,Fa milaza ho sahirana. --------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
AsLamy