Raha... (Noro Haintso)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity Tononkalo ity dia andrana fandikàna an’i « Si », nosoratan’i Rudyard KiplingRaha ho anao very eto, izay rehetra nihafiana
Ka tsy hitaraina na hisento, hiala amin’ny hakiviana
Na hikoro izay najoro, nefa tsy hihorohoro
Fa hanangana indray, izay rehetra rava izay
Raha ianao no mitia, nefa tsy ho andevon-drafitiavana
Raha ianao no ho mahaery, nefa tsy hanavangavana
Raha ianao no ankahalaina, nefa mbola ho tia ihany
Fa hitolona, hiaro tena, raha mbola tany koa ny tany
Raha sahinao ny mihaino, izany teninao disoina
Eo anatrehan’ireo bado, ka hanjary fandotoana
K’handre ny tsy valahara, handainga ny aminao
Nefa hijanona tsy handainga, fa hihaino tsotr’izao
Raha inao no fantatr’olona, fa tsy ho jejo hisafaoka
Na ho mpanolo-tsaina ambony, fa eo anivon’ny vahoaka
Raha ianao no tia ny namana, tahaka ny iray tampo
Nefa na iray aza, tsy tia anao amin’ny fo
Raha hainao ny misaina, mandinika, mamantatra
Nefa tsy mba ho mpandrava sy tsy hitompo teny fantatra
Raha ianao no manonofy, nefa ts’hiaina amin’izany
Na handefa eritreritra fa eritreritra ihany
Raha ianao no ho mafy, nefa tsy mba ho sendaotra
Etsy andaniny ho kinga, ho malina tsy taitra loatra
Raha ianao no ho tsara, raha ianao no ho Hendry
Nefa ts’hiseho ho filamatra, tsy hampidera izay kinendry
Na hiatrika mpandainga roa, amin’ny herin-tsaina mazana
Izany hoe hifandimbiasam-pandresena sy fahavoazana
Raha vatranao tsara, ny hanangona herim-po
Nefa ny hafa amin’izay, hanary ny azy avokoa
AMIN’IZAY FOTOANA IZAY, IREO MPANJAKA, SAMPY, FANDRESENA
HO ANDEVONAO DAHOLO, TSY HISY HO AMBONINAO INTSONY
FA NY TENA IZY ANAKA, IO ILAY TSY AZO HOFEFENA :
IANAO NO TENA OLOM-BANONA !
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
