NY GASY (Ny Antara ANDRIANARISAINA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Malagasy hoy ianao,
Efa liana izay vaovao
ka manary ny tranainy ...
... Fandrosoana no ilainy...

Inony hoy ianao izany hoe fihavanana?
Am-bava ihany sisa...
Hipoka azy ireo ny toeram-pivavahana
kanefa ny asa soa, vitsy ihany ny isa...

MALAGASY MALAGASY,
Dradraina hanako mafy,
Kanefa firy monja sisa
no mahita Paradisa
eto Gasikara eto?
Firy no tsy leo?
Leo ny fijaliana,
leo ny fihafiana...
Fa mahita fiadanana
akaiky fahasambarana
eto an-tanindrazana,
nefa mendy fahafahana ?

Fa ny sasany ?
Mijanona eo am-bavany
ny maha gasy azy!
............ ............................................

Ny ahy aleoko gasigasy,
mahantra ratsiratsy
sady ratsiratsy tafy,
tsy te hanahaka tandafy;
Toy izay mirehareha milaza ho gasy Razana
kanefa tsy mahatsiaro na dia ny hasin-tanindrazana.

Ny Antara
(03/12/2017)
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
849 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015