Ampidiro aloha ny tenimiafina
GASIKARAKO (Ny_Vetso)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Rota 1: 16 “Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao, fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako; Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”)GASIKARA, tanindrazako!
Io ilay, hany, nosy kely niantombohan’ny tantarako.
Nosy sarotra vonoina,
Tsy azon’iza hosoloina!
Nahalatsahan’ny tavoniko,
Ka tena tsy haiko hadinoina.
Tao aho no niantomboka,
Nanoratra ny abidia.
Nahaizako mamaky teny,
Nibadàko hoe: Neny!
Nosy kely mahaliana,
Nandaniako fahazazana.
Nosy iray izay mahavariana,
Satria…
Nanovozako hatsarana.
Nosy miavaka amin’ny hafa,
Raha mbola i GASIKARA, taniko!
Ka sarotra amiko ny hamafa,
Ireo fahatsiarovana rehetra nanorenako ny akaniko.
Tiako izy fa tsy afeniko e!
Izy mihitsy no ilay reniko.
Firenen’ny Malagasy,
Malagasy iray rà.
Iavahana amin’ny hafa,
Na ny toetra na ny fanahy.
Satria…
Na amin’ny soa na amin’ny ratsy,
Isika samy Malagasy, ange,…
No mpandàla fihavanana,
Afaka hifandray tanana e!
Koa ampitaiko amin’ny zanako,
Eny, hatramin’ny taranako!
Fa hafa ihany I GASIKARA!
Izy ilay niandohana sy hiafaran’ity tantarako.
Korianam-penin'i Ny Vetso
(Ambatomaro 03 jona 2016 tamin’ny 11ora antoandro)
Anarana: RAKOTOVAO Mbola Tiana
Solon'anarana: Ny Vetso
Asa: Poety/ Mpanoratra/ Mpamokatra Fandaharana amin'ny hainoamanjery/ Mpanoratra tantara/ Talen'ny Orphelinat Kids Hope.
Email: nyventso@gmail.com
WhatsApp: +261 34 11 200 55
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
