NY FOTOANA (Ny_Vetso)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOTOANA!

Rehefa tena zohina, fakafakaina, hadihadiana, ange, ny fizotran’ny fotoana dia…toa tsy misy izany akory e!
Nahoana angaha hoy ianao?

Isika, hay, no mampihetsika sy mampihodina azy io!
Hifandrindra sy hifanaraka ka hampiasa ilay paika mba tsy ho very, tsy hiraraka.
Raha ianao no resy lahatra fa miaina ny ankitrio dia izao no tadidio:

Rehefa hainao fotsiny!
Ny mampiasa ilay segondra hiodina ho iray minitra!
Ka ny minitra maromaro hitambatra ho tonga ora;
Dia ny ora mifandimby hivadika ho lasa andro!
Dia sambatra izay ianao!

Mahay miaina ny androany fa tsy mandanilany foana ny fotoana amin’ny tsy antony,
Manadino ny omaly,
Tsy misaina akory ny lasa, fa efa maty lasana any.
Tsy manahy ny ampitso sy ny hoavy rahatrizay,
Fa efa an-tanan’Izy Tompo, am-pelatanan’Ilay Ray.

Ka moa voarainao amin’izay va ilay tiako hambara teny aloha?
Tsy hoe ny fotoana no tsy misy,
Na ny fotoana no tsy ampy!
Fa ny fahaizanao mandamina,
No fiady iray afaka hanampy.

Diam-penin’i NY VETSO (03 Novambra 1994 tamin’ny 07 ora 30 minitra alina.)
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
294 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny_Vetso
Inséré par : NyVetso001
Date : 13/04/2025 05:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128