NY TSIAMBARATELOKO (Ny_Vetso)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo indraindray noho ny olana miseho eo anivon’ny ankohonana ;Toa mitebiteby foana sy adin-tsaina lava izao no mampiraika sy ironana.
Fa avoakako avy hatrany ilay TSIKIKO ao anaty!
Hampisinda sy hampisava ireo menomenon-dava.
Na dia ritra sy efa lany aza ilay hery izay ananako,
Mahatsiaro ho tena reraka , mihevitra ny hoavin-janako !
Dia atolotro hatrany ilay TSIKY fahazarako,
Mba ho anatra sy lesona itaizako ny taranako.
Matetika no tena trotraka , mivembena mila ho potraka!
Miady irery tsisy (tsy misy) namana, mitady hevitra hiadanana ;
Fa avoakako, eny, ihany ilay TSIKY anatiko any!
Hanafenako tsy ho hita izany adin-tsaiko izany.
Tena ilaiko indraindray ny mandrotsaka tomany,
Hampitony sy hanamaivana ny rehetra anatiko any.
Fa aleoko misafidy ny hanary dia miasa!
Iatrehako ny ampitso sy hamafako ireo lasa.
Na dia ilaiko indraindray ilay hany fampiononana!
Mba hanainga sy hibata izay mavesatra ato am-poko.
Dia aleoko mampahery , mampitraka ny ankohonako.
Tsy hiraviravy tanana,
Fa samy kosa hampihatra izay rehetra manavanana.
Indraindray tena marary, tsy tafarina mihitsy,
Fa vao mitsangana dia miongana
Ny an-tanana aza mila ho fongana!
Fa mivonona hatrany hanambony toe-tsaina;
Tsy ataoko hita soritra izany hoe miferin’aina.
Izay ny ahy ilay lakile,
Iatrehako ny fiainako.
Izay ilay fanalahidy,
Mampihena ny tarainako !
Atrehiko tsy misy nenina,
Mba tsy hampipenipenina!
Atrehiko am-PITSIKIANA,
Mba hitondra fifaliana!
Iriko ianao ho tahaka ahy !
Ho vehivavy tena sahy!
Hahay hiatrika ny hoavy,
Ho taratry ny mpianakavy.
Tano hatrany ny herim-po,
Sikino koa fanantenana.
Mba hananana hoavy,
Hoavy tsara fihafarana.
Rango-penin’i Ny Vetso
(Ambatomaro, 27 janoary 2016 tamin’ny 9ora sy 30minitra alina hatramin’ny 10 ora sy 5mn)
(Tononkalo ho fisaorako an’Andriamanitra, ny vadiko, ny zanako telo(03) mianadahy: i Fidèle sy i Gaëlle ary i Mickaël, i Miray RIVONTSOA, ny fianakaviana manontolo ary ny namana izay nitrotro am-bavaka sy nanampy ahy tamin’ny fitsaboana raha nandalo fandidiana aho ny Alarobia faha-28 Oktobra 2015 satria tafaverina amin'ny laoniny indray ny fahasalamako.)
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
