zaza vao hitia (OUNJASOU)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nitia anao aho
Nanantena ny ho tiana
Raha niantso anao aho
Niandry ny ho valiana
Saingy indrisy

Fa raha maso no nijery
Arika no azo
Raha vava no niteny
Fery kely lasa tazo

Tsy notereko ange
Tsy fidiny ho ahy koa
Ny hiantso an-dramose
Na hitia an-dramatoa

Fa mbola kely ve aho
Zokiko hono ianao
Tsy natao ho ahy
Ny fitiavana ohatr'izao

Fa raha izao sahady
Mba hanomboka hitia
Dia tsy maintsy hiady
Hamono tena, sanatria !

Fa ho avy ny andro iray
Hitadiavanao ny jeriko
Ho hitanao izay
Hiandry ny appel-ko
Eny indrisy
Fa tsy hisy
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
935 1
Fans: aigredoux
Commentaires
finaritriniaina ( 07/08/2006 10:58)
zany an!
cute ( 23/03/2007 06:54)
tsara kosa le tononkalonao anh!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : OUNJASOU
Inséré par : ounjasou
Date : 13/07/2006 05:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144