Tsantam-pitiavana (Pasteur RAMIANDRISOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsantam-pitiavana

Na inona teny aloaky ny vavako,
Na inona endrika asehon’ny tavako,
Na tenin’anjely no enti-milaza,
Na teny madera mihitsy koa aza
Kanefa ny foko tsy manam-pitiavana,
Varahi-maneno sy vy mikarantsana !

Na inona na inona faminaniana,
Sy zavatra miafina, nefa torina,
Ampian’ireo fahalanana eran-tany,
‘Zay hita fa tena mampiaiky aok’izany,
Na eo ny finoako hamindra havaona,
Raha tsy eo ny fitiavana dia zava-poana !

Na hoe ny fananako aza atobaka,
Ka ny olon-drehetra no samy handrombaka,
Angamba ho asa vaventy no ho vita,
Izay fahantrana hanjary tsy hita;
Ny tenako atolotro hodorana koa;
Raha tsy eo ny fitiavana foana avoloa !

Ny fitiavana mantsy dia mora fanahy,
Sady tsy mialona, na be ahiahy,
Nandàla ny marina, mitana ny zo,
Tsy mieboebo hanao otri-po.

Ny fitiavana marina dia manantena,
Tsy mitady ny azy fa mahafoy tena;
Mandefitra lava, kanefa tsy lefy,
Fa mandrakizay no faran’ny fefy.

Ny fitiavana mantsy dia tsy mba ho levona,
Ny faminaniana ho lasa entona,
Ny teny tsy fantatra koa dia hitsahatra :
Ny fitiavana ihany no hany hafatrafatra !

Dia zavara TELO no indreto mitoetra,
Dia zavatra TELO tsy manana fetra :
FINOANA sy FANANTENANA mirindra,
Ny fitiavana anefa no ngeza indrindra !
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1760 0
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 22/08/2004 20:55)
tena marina fa ny fitiavana no fototry ny fiainana.Saingy indrisy tsy hita intsony izany ankehitriny, takon'ny zavatra maro io fitiavana io
bichette ( 23/08/2004 13:53)
ekena tanteraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pasteur RAMIANDRISOA
Nampiditra : arcane
Daty : 22/08/2004 16:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013