VAVAKA (R.L.H)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! fantatrao ny adin-tsaiko
Ato anaty haizim-pito aho no mitaraina
Mba havoty re ny fanahiko
Fa tena ory ka ndrao androtika ny aina

Tsy misy miafina aminao avokoa ny amiko rehetra
Ianao irery ihany ry Ray no manome fitia ts manam-petra
Ianao no vahaolako eto an-tany
Ianao no mampahery ahy raha sendra tomany

Ray ô! toroy lalana aho
Ampianaro ahy izay sitrakao
Omeo ahy ny fahendrena
Ahaizako mitondra tena

Ahitsiho aho raha sendra solafaka
Atrakao ihany koa raha tojo hakiviana
Fa ianao irery ihany no Ray mpanafaka
Raha toa aho ka tafalatsaka ato anaty aizina mangina

Apetrako eo am-pelantananao ny ho aviko sisa
Fa ianao no mahalala ny mahasoa ahy
Atolory ahy ny fitia tsy mety ritra
Avaozy isanandro ihany koa ity fanahy
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1249 0
Commentaires
andry 1000 ( 03/04/2015 05:13)
misaotra mihintsy aminy le vavaka...tsara e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : R.L.H
Inséré par : R.L.H
Date : 02/04/2015 18:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128