Hevitra momba ny Rehefa tia ianao

Hiverina amin'ny Rehefa tia ianao
osrabn ( 05/05/2005 16:47)
Miombon-kevitra amin'ny mpanoratra aho amin'ny voalazany hoe: "Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa"
rapisoukely ( 22/06/2005 19:04)
Asa anefa fa izaho ilay tsy niteny ny tena tato am-poko ilay olon-tiako no nampisalasa azy ka nangalany olon-kafa hosoloko. Nakomboko ny vavako nohidiko mafy mba tsy hiteniteny foana aho eo anatrehany, ny fihetsiko rehetra kosa anefa dia nataoko fa tsapany fa manambary fa tena tiako izy.
Izy rahateo tsy mba nilaza akory izay tena tao am-pony.
lapino ( 12/12/2005 03:05)
Aleo nefa tiavina toy izay mitia
Ary izay kobokobonina manjary mankahia
Ka hosokafako ny vavako hamoaka izay mavesatra
Hilaza ny fitiavako ho tsara petrapetraka

Mila izany koa ny sofim-behivavy
Satria izay ao am-po tsy misy fantany avy
Ilainy mafy izany mba hahazoany toky
Fa vatsin'ny fitia, na dia odiany voky

;)
ounjasou ( 13/07/2006 05:39)
Ka io arakarak ilay olon-tiana io, raha hitanao fa ampy hanambara ny fitiavana ao am-ponao ny fihetsikao, dia mety ny mangina, raha ny mifanohitra amizay kosa, dia tsara ny miteny , mba hanamafy fototra, mba tsy hanenenana e !
mazanakiki ( 09/01/2007 21:36)
Ilay fitia miteny


Ny foko no mitempo
Mahita ilay fitia
Ity molotro ibitsibitsika anao
Amboraka ilahy fitia

Ilazako aminao izay ao am-poko ao
Raha tsimisy anefa izany
Dia zavam-pohana ihany
Ny fitia fa tsy miteny

Raha mba hitanao matsy
Izay ao am-poko aho……
Dia filamatra iray holazaiko anao
Fitia tsy vaokarakara maty fotsiny eo

Raha tena tia tokoa anefa
Dia ho lazaiko aminao,
fa fitia tsy kilalao noambarako anao
ilay fitia tsy makalao.
John of God ( 21/02/2022 01:03)
Tsy voarefin'ny molotra ny fanambarana ilay tena fitia
zakaberthot ( 16/05/2023 21:11)
Marina izany.
Toa izany ny atao mitia Tanindrazana, « ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa ». Fa tsy toa an’ireny miseho tia, manao balaroa. Milaza azy tia etsy sy eroa
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0074