MBA NITIA (RadoRCH)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba nitia aho fa tsy notiavina
te ho andry fa tsy notazonina
ka tafita ary ve vao tadiavina
dia irina sy hantokantonina?
Mba nitia aho kanefa niatahana
na nanolo-pitia niezinezina
noho ny manana ve vao iarahana
ka tomorina sy akaikezina?
Mba nitia aho ka tena efa babo
saingy indrisy fa kely ny heriko
tamin'ireny aza ianao tsy nitsabo
nolalovanao fotsiny ny feriko
koa nahoana ny ratra efa sitrana
sy fitia efa tony no tairina
raha ny lamba izay efa voavitrana
dia tsy tsara iverenako zairina
fa kodiaran-tsarety ny fiainana
ny tantara taloha dia voafafa
ka honony ny fo sy fisainana
fa ny foko efa lasan'ny hafa.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1120 0
Commentaires
lyopa ( 08/12/2009 20:37)
tsara be! misaotra anao, izany ka tena hambo-po!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RadoRCH
Inséré par : riando
Date : 07/12/2009 09:42
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129