Zoky (Raintah)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zoky ô
Aiza ho aiza re no misy anao eh?
Fa tena mijaly loatra ireto havanao
Miaina anaty fahantrana lalina moa ve izany tsy hitanao
Miangavy, mitalaho aminao re mba hanavotra izato tanintsika izao

Zoky ah!
Fantatrao moa ve fa zara raha miaina sisa, eny miaina ihany fa mandohalika sy mandady
Indrisy ehn firenena mihitsy no mitady hivarina any an-kady
Fa toa manjaka sy miha-mahazo laka ny fitondrana jiolahim-boto
Mampifandrafy, toa maniry mafy hisian'ny adim-poko

Fa dia nahoana loatra re?
Aiza ho aiza ianao no misy anao ry zoky

mba hampiray fa toa efa miharihary loatra ilay tsy fahadiovana
Tsy hita intsony ilay fihavanana fa lavitry ny fitsinjovana
Toa ireo tsy marina indray no mahazo laka mampijaly sy mampihorohoro
Ka ny fiainana avy no manjary lasa torotoro

Zoky ah
Mila anao anie ireo vahoaka tsy mandady harona
Mba hanafaka azy fa efa sasatry miarina
Tongava re mba hanoro anay ny fahendrena
Ka hampatanjaka anay ho lavitry ny fahalemena

Aiza ianao zoky a
Moa ve efa lasa sa mbola eto ihany
Mipoira re fa mila anao ny tany
Raha toa ka efa lasa dia miangavy re izahay, mba miverena
Fa mila vonjy aminao ny firenena

Raintah
--------
Lien:
Catégorie : Marsa 2024 - Tanindrazana
202 4
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Raintah
Inséré par : Raintah
Date : 11/03/2024 05:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133