Mangataka azy Aminao (Rakotoasombola)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tantaranay nogiazan'ny peniko,
ilay tsiambaratelo efa tena nafeniko,
kanefa inoako fa mibaribary loatra
eo anatrehanao ny am-poko tsy miloatra.
O, hifonako indrindra fa toa tsikaritrao
mbamin'ny faniriako ilay fahefanao,
ny faniriako hanoritra ny lalan'ny tantara,
ny faniriako hanendry izany hoe anjara,
fotoana kely monja, sombitsombiny ihany,
nefa, indrisy, haninona? Olombelona ihany!
Hany sisa zo ho ahy: miandrandra indray,
mivavaka Aminao hanakambana anay.

Fantatrao ihany koa ny ezaka nefaiko:
Ireo dia marobe namizana ny aiko
raha nanjohy azy teny rehetra teny,
ny foko torovana nikaroka ireo teny
fiadian'ny poeta hamabo anaty vazo,
ny volako lany tamin'ireo voninkazo…
Voatolotro ary iny ilay fitiako sarobidy
nefa amin'ny azy aho tsy masi-mandidy.
Efa niady mafy aho, nefa Ianao ihany lahy,
no mahary ao am-pony ilay fitiavana ahy.
Tiako anie, tiako, tiako iny tovovavy iny,
ka am-panetre-tena tokoa ankehitriny
no hangatahako azy Aminao ho anjarako.
Raha eny moa, toy inona izay ho hasambarako!
Raha sanatria ka tsia, harary aho ka harary!
Izao fiandrasako izao, mbola tsinona! harary!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
827 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rakotoasombola
Inséré par : Rakotoasombola
Date : 09/05/2016 20:49
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0132