NY HAJAN'NY FOKO (RAKOTOSOLOFO Jean Emile)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1 - Ny hajan'ny foko madio ranoray,Haingo sy ravaka soa tafaray
Karatra ho entiko rahatrizay,
Hidirako any an-danitra mandrakizay.
2 - Ny hajan'ny foko mamiratra soa
Ambenako mba ho voahaja tokoa
Ifonako kosa ny ratsy taloha
Fa sao tsy mitsena ny Tompo Jesoa.
3 - Ny hajan'ny foko madio tsara indrindra
Ambenako sao dia solafa-mamindra
Ny lalan-kizorako ataoko mirindra
Fa sao tsy mahita ny Tompo Avo indrindra.
4 - Ny hajan'ny foko madio aok'izany
Arovako tsy ho voafitaka hatrany
Mandram-pialako eto amin'ny tany
Ny foko rehetra any an-danitra ihany.
5 - Ny hajan'ny foko madio sarobidy
Ambenako mafy fa 'ndrao mibolidy
Feheziko tsara tokoa ny safidy
Ny vatako asiako kofehy lamboridy.
6 - Fefeko ireo masoko ireo tsy hijery
Ny zavatra fantatro fa mahavery
Aleoko mikipy na lasa miery
Toy izay dia himbanjina loza mahery.
7 - Ny tenako kosa dia arovako tsara
Mba tsy ho rebireben'ny Satana
Aleoko mandefitra manao ny tsara
Toy izay dia ho very rehefa any am-para.
8 - Ny vavako tsy avelako hiteny
Ny zavatra ratsy rehetra toy ireny
Ny marina ihany no ataoko fiteny
Fa sao tsy misantatra ilay Zatoheny.
9 - Ny foko herezo hanaraka Anao
Manomboka hatreto amin'izao tany izao
Mba tsy ho diso amin'ny lala-makao
Amy Jerosalema ilay vaovao.
10 - Ny sofiko kosa tsentsemako mafy
Rehefa tonga ny resaka ratsy mifafy
Aleoko mikipy na lasa mihafy
Toa izay voasokentan'ny demony ratsy.
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana - Aingam-panahy
