Ny Tantarako (ralay)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TANTARAKONy tantarako dia somary fohy ihany mba tsy hilazana azy hoe fohy dia fohy, ny hanombohako azy angamba dia ny momba an i Dada sy Neny, i Dada moa dia irony mpanao bizina irony no asany ireny mpanao afera ireny e ,fa ny azy ny bizina mety an ! ny an’i Neny kosa dia mpampianatra sady i Neny tena tia zaza be mitsy an !, ny momba ahy am zay ary izao, Alicia no anarana nomeny i Dada sy Neny ahy vao tonga teto aho ,pelika be aho hoy i Neny sady jejojejo kely e , izy irery moa no teo fa i Dada mbola tavela lasa naka automobile tany tamatavy , , zany angamba ny atao hoe sipa kely e,sady natanjaka be koa aho tam vao tonga an !, saingy ny indro kely dia maika laotra kay aho ka lasa irony prema irony na ilay antsoina hoe tsy tonga volana e, teo no nipetraka ny fanontaniana hoe aiza aho no alefa satria mila atao ao anatiny irony couveusse ireny hono aho, tsy ilay couveusse na akoho an !sao nareo tsy mahay, fa ireny mamoka hafanana ireny dia am zay zany aho hotran ilay tao anatin’i neny ihany,ny olana anefa tao am loteriana tsy manana an io fitaovana io, tao aho manko no nivantana dia aiza ary aho no alefa nanontaniana i dada , mbola any tamatavy izy aminy io an, ny resaka dia ny hoe ao aminy tsaralalana ao am hopital des enfants dia nanaiky i dada ,niova tampoka anefa ny resaka dia lasa tany befelatanana indray aho no nalefan ry zareo fa feno hono ny tao tsaralalana ,tsy nahalala an io akory i dada hoe novaina any befelatanana anie za no alefa , tezitra mafy izy fa refa tsy misy hono tao tsaralalana dia tokony tany am masera eny ankadifotsy aho no nalefa , misy antony ao hoy aho satria i dada tsy mba mivavaka izany nefa naniry ahy ho alefa any am masera ,tonga i dada ny hapitso vao maraina ny nahatongavako hitako faly ery izy nahita ahy na somary kely dia kely ary aho nilanja 1kg100 manko aho, nomeny i dada sy i neny daholo izay nilaina rehetra hikarakarana ny momba ahy tonga am irony hoe «na hanaperako ny fananako aza e » ! gaga anefa i dada sy i neny fa rehefa manontany ireo mpikarakara ahy izy ireo dia tsy mba misy valiny mazava mitsy homeny ry zareo, dia naka hevitra ry zareo hoe hanontany any am masera rapitso maraina fa ho hafindra any am zay aho ,ny alina iny anefa tsy zakako intsony dia niera tam ny ao ambony aho mba ho alainy dia lasa aty aminy aho , nampalahelo ahy ireo ray aman-dreniko indrindra moa fa i neny, tsy mahajery zaza mihitsy fa toy ny lasa adala na dia maheno ny feo nzaza fotsiny aza i dada moa vao tavela ireny dia hitako mitomany malahelo mafy , ny hariva ny iny andro iny aho dia efa nasitrika ka eo akaiky ilay cousinko iray zay aho no napetraka, nampitondrainy dada sy neny zavatra be dia be aho sady nanafatra i dada hoe jereo ny bebe an dry refa any indry dia asaivo manampy an dry manolo couche sy akanjo ra tsy mbola vitandry ny manao azy an ,i dada moa tsy mahazo manatitra ahy hatrany am toerana hanafenana ahy hono ka teny antsasa-dalana izy no niverina , misaotra an ireo nanampy ahy aho taminy iny fandalovako iny ny ao ambony anie hamaly soa anareo rehetra, lasa aho aloha fa mbola hitady an ilay namako tao am couveuse aho izay lasa andro iray nialohako tsy iza akory io fa i « ny avo »,efa tsara toerana aho izao koa aza malahelo intsony ry dada sy neny fa izay ny lahatra ka tsy azo hidifirana ,
Dia izay ny tantarako ry zareo fohy nefa namela marika lehibe eto am ity toerana fandalovana ity
Alicia kely
--------
Lien:
Catégorie :
Tontolo iainana - Fahafatesana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - fiainana - Aingam-panahy