IZY ANGAMBA (randra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy...Mety izy angamba
Ilay tokana iray
Hampiratra ny masoko toa jamba
Tsy nahita hatrizay

Izy angamba ilay tiana
Izarako izay rehetra momba ahy,
Ilay tsaroana rehefa sendra mangina
Ilay omeko ny fo,saina,fanahy

Izy angamba ilay voafidy
Anambarako ireo tsiambaratelo
Handry eo an-tsoroko raha sendra mangidy
Ho safosafoiko raha toa ka malahelo

Izy mihitsy angamba no tiako
Matoa izy tsy afaka ato an-tsaiko
Angamba izy tsy ho ariako
Angamba...Angamba...Toa tsy aiko
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
695 1
Fans: randra92b
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : randra
Inséré par : randra92b
Date : 30/07/2016 10:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135