Commentaire à propos de Izy tsy handao anao

Revenir à Izy tsy handao anao
Soarilala ( 19/02/2012 21:49)
Marina mihintsy izany!!!!

Fa

Izy tsy handao anao
Na hodianao tsy hita ny heriny
Amin'ny fiainanao ny setriny
Izy tsy handao anao
nyratsima ( 20/02/2012 09:02)
Misaotra mampahery !
Zozoro ( 20/02/2012 22:53)
Ataony ahoana ny handao
Na hanao mody kilalao
Ireo dina notononina
Toy ny hira nogononina
Tan-tsofinao irery
Toa natao fangalam-piery
Nefa iriny ho tontosa
ilay toky mihavosa

Ataony ahona ny hanadino
Na koa hoe tsy hino
Ilay teninao mafonja
izay nandrava izany fonja
Fa tia ianao...ka fitia
Fitia nanapa-drojo vy
Ka ilay fitiam-pahafana iny
Moa tsy voaloham-pifaliny !!!

Ataony ahoana, ka atony ahoana
Ny hangina sy ho moana !
Ianao no apinga fitokiny...



mimi12 ( 06/07/2012 07:21)
Izy tsy mandao anao
f'isan'andro mandom-baravarana
miantso anao malalany

Izy tsy nandao anao
satria noho ny haben'ny fitiavany
foiny ho anao any ain'ny zanany

Izy tsy handao anao
fa fampanantenana vaovao
no mbola hatolony anao
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0101