IREO LOLO (RASABOTSY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IREO LOLO
Indro tamin'izay LOLO iray,
namangy zaridaina vao maraina,
ka namonjy ity felan-draozy tsara paozy.
Tsy ratsy velively, tena kanto, mavokely.

Koa dia nonina tao nanorim-piainam-baovao,
fa mendrika sy kanto 'ty felana milanto.
Ilay raozy toy ny anjely, toy ny tsy halazo velively.
Iza no tsy haniry ity raozy vao mitsiry !!?

Ora iray taty aoriana dia indro lolo hafa ;
vao nahita dia sondriana ka nanandrana nitafa ;
nanambara sy namboraka izay mba tao am-pony :
dia ilay fitia te-hiantoraka eo ambonin'ity Vony.

Kinanjo anefa tsinininy, efa tara loatra.
Ilay toera(na)-nobanjininy, efa voavola tsara voatra ;
ity raozy vao mivelatra, efa babon'ity NGEZA.
Ô ry foko izay mitselatra, mitonia mahereza.

Nifandimby teny ny andro, fitambaran'ireo ora,
Ny hanadino ireo nahandro toa sarosaromora.
Nandry ilika nitolona niezaka hamaha ;
nomenatry 'ireo olona ka '(ha)nde hiova saha

Nivadika ny vohitra, tojo saham-bonikazo,
ilay alahelo tsy notohitra no toa nanjary vazo ;
Satria :
vao nitopy ny fijery ka niondrana nizaha
dia nahatspa fa :
toa singa-manirery ilay vonin-dalià ;
naniry ihany koa ny hiharo namana
ka 'ilay fo nitovy roa no zary amboaram-piadanana.

R P Z Mai 2013
--------
Lien:
879 0
Commentaires
mpisotrtoaka ( 24/06/2014 08:47)
hahaha !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASABOTSY
Inséré par : RASABOTSY
Date : 14/06/2014 10:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145