Hafatry ny nofy (RASOARINIAINA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy izy hoe...

Indray andro any tsy maintsy ho avy aho
Ho avy amin'ny endrika taram-pazavana
Indrindra fa iny rehefa hisandratra aho
Ka aza gaga fa izaho ihany ilay taram-pitsikina

Aza miteny hoe irery
Ary aza mahatsapa hoe mijaly
Fa sedra mandalo ihany ireny
Ka mila mafy elah raha te ho faly

Ary ataovy amin'ny fo izay rehetra atao
Dia araho tsikitsiky sy hafaliana
Amizay mba feno hery ao anatinao
Dia tsy ho very fa feno hamamiana

Ka vonona foana isan'andro rahavako
Fa efa tena kely sisa dia hitsangana aho
Satria ianao no voatendry ho sahaniko
Ka aza mangnahy fa anampy anao aho
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
70 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOARINIAINA
Inséré par : RASOARINIAINA
Date : 25/03/2025 00:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149