Neny (Rija S.)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny, ilay masoandro amam-bolana
Nikolokolo sy niteny, nitondra folo volana
Niankin-drindrina irery, niaritra ny mafy
Amin’ny andro maha-tery sy ny rivotra mifafy.

Neny, ilay nikapoka nananatra
Tsy nitsitsy ratsan-kazo, hahatsara ny taranaka
Miezaka hatrany tsy mba mety reraka
Mikatsaka hatrany ny hahasoa ity nateraka.

Neny, ilay niezaka nampianatra
Tsy nikely soroka, hahatafita izany zanaka
Tsy nitandro ny hareny fa natolony nomeny
Hanasoavany ny taranany, hamitany ny fianarany.

Neny, ilay nitsabo raha narary
Tsy mamela anao ho irery, amin’ny andro maha-tery
Mamonjy hatrany tsy manary
Raha mbola misy ny omeny, ataony izany tsy an-tery.

Raha ny zava-bitanao ry Neny
Tsy voavaliko izy ireny
Fa ny azoko atao
Dia ny mirary soa ho anao

Ho tratry ny ela indrindra anie ianao
Hifanatitra amin’ireo zanaka aman-jafinao
Andriamanitra anie, hitsinjo sy hitari-dalana anao
Amin’ny androm-piainanao rehetra, hoy ity zanakao.

Rija S.
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
1742 2
Fans: gloom - katrynah
Commentaires
katrynah ( 18/12/2019 12:04)
Ouaouh maman jtm
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rija S.
Inséré par : gloom
Date : 01/06/2004 06:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135