Mahandrasa (Rio)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza mbola kivy fa tsy mandry fahizayna ao am-pasa-mangatsiaka
Raha ilay foko nanantena:ilay nikasa dia nikasa(...)
Raha inay ka tsy nitroatra,tamin'izay fotoana izay.
Aza mbola mitomany,fisarahana tanteraka
raha nimoana teo ny molotro!
Raha ilay vavaka fanaoko no nanjary nampirimiko,
Na tsy atoro f'hita maso izato nofoko efa reraka.
Aza mbola misonenika ka mijeni-berimaina!
Na mioty voninkazo tsy nihanoka hazavana!
Fa miandrasa aloha ny rariny;na izay mety ho faharesena.
Ndrao ho setra ny hambom-poko sahy hihatrana aman'aina.
-Eritreritra sendra nandalo- (14/03/2014)
Rio
--------
Lien:
Catégorie :
Ady