Mila namana (Rio)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy zavatra katsahiko
hatramin'ny andro nahitako,
fa totoran'ny mpandalo
amin-tovona tatao...

...Dia: tatao iraisan-kina
nifanaovan-teny miera,
fa hanori-dala-masaka
mba hizorana mankany!

Ilay "mankany" 'tsisy tanjona,
'Tsisy fototra niaingana,
dia irohotan'olo-maro
varimbarim-pikasana

Misy tiako hofongarina!
Ilay "nalevina hatry ny ela,
tao an-davaky ny lasa,
Ilay "tsy maty fa natory".

Ilay "tadiavina fa very"!
raha ny horaky ny marina.
Mila namana aho kanefa;
Mila anao aho hiara-hanefa!

-Eritreritra sendra nandalo-(08/07/2013)
Rio
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
1224 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rio
Inséré par : mierimbetso
Date : 08/07/2013 18:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014