Aleo matory (Riva Ando Andriamalala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsotsotra teny ianao
fa mafimafy fo
tsy tia nasentosenton'ny resaka fitiavana
mora taminao ny nihira ny fandavana,
raha sendra olon-tiana nianatra namolaka
tinapakao ny tady sady hoy ianao homehy :
Isika olona afaka ka aoka tsy hifamehy !

Dia niaina teny ianao
nilamindamin-tsaina
nitia an-kalalahana, kanjo indray maraina
tsapanao tsy nahy fa hay ny tena miaina
tsy fanarahan-dia ny aingitr'anjoria
fa ilay mitia sy tiavina an-dalan'ny doria...

Dia babo ihany ianao
nanjary tia dia tia
soa ny miara-droa... hafa ny hasambarany
nanolo-tena ianao hitia hatramin'ny farany
fa ao no misy lanitra mety mamololona
mamy faratampony ho an'ny zanak'olona...

Fa sompatra ny ankaso
dia izany koa ny fiainana
eny, mahavaka manimba ny fisainana
hay tokoa ny lafatra tsy takatra eto an-tany
ny hasambarana eto tsy lavitra tomany :
Tomany izao ny fo sy ny fitiavanao,
indrisy, ry fitia : Tompoina vao nandao !

Izao fisiana izao
mbamin'ny fitiavana
mba inona ary moa no anton'ny fisiany ?
Ary ity ianao ilay saika sambatra iny
ny fitiavana aza manjary halanao
ka z'inona tokoa izao fisiana izao ?
Angamba tsinontsinona
angamba zava-poana?

Te ho faty ianao kanefa moa nahoana ?
Ny fahafatesana aza tsy fantatrao akory
hamono sa hanafaka ny fonao efa ory ?
...Dia hoy ianao homehy :
Aleo aloha matory !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
350 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva Ando Andriamalala
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/02/2023 18:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128