tsy haiko (rivonala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko intsony zay ho diso na izaho na ianao
aoka hoan'ny ampitso
no hamosaka izao
Lay fitia zay nandrandraiko
ho anao doriadoria
toa naningotra ny aiko
fa navelonao hania
eny ,ekeko re ry tiana
raha izao no sitrakao
aok'izay izaho hangina
tsy ho anao mandrakizay
fa raha fitia mihilahila
tsy haharitra hijoro
varavara-mitanila
mora rodana hikoro
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana