Ampidiro aloha ny tenimiafina
i Dada (RJ Myrai)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy sombin’ny aiko an !Atsaharo ny tomany
Avy an-tratrako eto
Homeko tambitamby
Etsy sombin’ny aiko
Avy ka matoria
Aoka izay ny sentosento
Dia Mangina ,matokia
Etsy sombin’ny aiko
Aza manana ahiahy
Tsy handao anao ny foko
Hikolo anao ,hiahy
Etsy sombin’aiko
Fa ny Andro maizim-pito
Etsy ho safoiko
Hisainako ny ampitso
Mantsy DADA sombin’aina
Dia mbola hifoha maraina
‘ndeha hitὰna angady
Mba hinanantsika vary
RJ My’rai
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Fans:
HJMyrai
