Tia fa tsy te ho anao (Rjh)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety efa renao angamba e?

Renao tamin'ny mpiara-mianatra sy ny ankizy rehetra manodidina antsika hoe... niova aho
Niova ilay babo sady trotraka fa lasa leo sady Tofoka
Tofoky ny laingalainganao madinika, ny maika hody lava tsisy farany rehefa isika mba mirava fa.... hay izaho no tena adala.
Fa noheveriko ho fanaratsiarana fotsiny ihany ireny rehetra henoko ireny saingy kosa ny omaly... hitan'ny masoko fa tsy teny

Nareo roa niara-dia nifampitantana,
narahiko avy ato aoriana saingy izaho tsy nanadala
fa...
niandrasako hisampanana ny làlantsika hizara dia iny aho nihazakazaka hamonjy izato làlako
Fa hay ilay hoe..."tsy mpisipa fa mpinamana", any an'elakelantrano mifampitantana?

Tsy hanozona aho akory, fa raha ilay tafintohina im-polo sady kotsan-dranomaso
Dia... mino marimarina aho fa hisy valiny, andraso
#rjh
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fiainana - Fitiavana
171 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rjh
Inséré par : RjH0
Date : 12/09/2024 16:00
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137