Hiandry anao (RMO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena nalahelo aho
Raha naheno androany
Fa hoe vita hoy ianao
Ny fiarahatsika mamy

Indrisy,sento sisa
No hany tavela teo
Ka tomany an'alinkisa
No zary mampitoreo

Toa tsaroako avokoa
Ireo lasatsika omaly
Ianao niteny tamin'ny fo
Fa tsy tianao aho hijaly

Nefa izao adinonao
Zany teninao izany
Ka dia lasa vitanao
Ny manao zay ampijaly

Tsarovy nefa fa izaho
Hitia sy hiandry anao ihany
Raha te hiverina ianao
Any aoriana any

Hiandry aho satria
Ianao irery ihany
No ekeko omena ilay fitia
Raha mbola tany koa ny tany
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1031 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RMO
Inséré par : mimih1
Date : 14/02/2015 18:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151