SOAMAMY (RSHB)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiko ianao,tsy foiko tokoa
Ny fitiavako anao tsy manam-paharoa
ny andro tsy ahitako anao
toa banga avokoa
ny tsikinao nomenao ahy
mampamirana ny androko hamaray
ny anaranao ,tsy maty vonoina
sady antsoina no vetsovetsoina
ny hiantsohako anao malala
ilay endrikao tsy manan-tsahala
ny momba anao miraikitra an-doha
ny fitiavako anao mibahana am-po
ny ahasolo anao dia tsy hisy
raha misisika mafy valiako hoe "Indrisy"
efa mafy orina lay fitia
ary tsy hiova mandrakizay doria.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
852 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RSHB
Inséré par : RSHB
Date : 11/05/2013 12:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144