IMPIRY Angamba firifiry (Sitraka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY

Angamba firifiry ny vongan-dranomaso nilatsaka tsy iniana,
Ary efa impirimpiry no ditsoka ny maso fa nilaozan'olontiana?

Impiry ianao niezaka tsy hitaraina, tsy hitofezaka fa mianatra ny miaina , nefa izay mba nandrandraina, notompoina nohajaina...
Indrisy...ratra no navelany raha nikopaka ny elany.

Tomany ianao matetika, mitanondrika koa mbetika fa vao manandrana miketrika dia voafingana miletika. Dia indro mitolefika.

Impiry no nianjera fa nilaozana tsy niera?
Impiry? Impiry no nisetra karazana herisetra?

Kanefa mbola indro mijoro foanafoana
Tsy lavon'ny fotoana fa miezaka mitraka fa ny fiainana tokoa somary lakalaka.
Na matetika voaratra dia mbola manantena fa mbola hiaka-dapa... ny ho avy no jerena.

Ka na firy sy impiry no hisedra hirifiry dia hitraka hatrany hatrany.
Mety hisy ny tomany fa manantena ihany.

Sitraka
23-04-2017
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
881 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Sitraka
Inséré par : sitraka Feno Tanteraka
Date : 05/07/2017 01:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134