hambom-po (T.D.A)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ditsok'io ry se a, fa aza atao mahataitra,
Tojoko eto mantsy fa ny jofo aty tsy laitra,
Aza dia manahy fa izaho tsy haninona,
Iny sarin-drafilahy iny aoka tsy hampirimina.
.
Ny tena hantondiako..!ny hijery ireto zanako,
Fa tsy hitsidika ny reniny, fahavaloko malalako,
Ireto sombin'ny aiko, no hitempoin'ny foko,
Fa ny mitia anao tsy haiko sady efa novonoiko.
.
Efa maty ianao raha amiko, lolo angamba sisa,
Fa ny taranako izay mamiko no hifandraisantsika,
Ny lasa tsy hifoha, na hoe tsy hampahita tory,
Efa lasa ny taloha, sanatria raha hampahory.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
944 0
Commentaires
Iarindria ( 09/02/2016 20:43)
Tsara ka mahay be
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : T.D.A
Inséré par : T.D.A
Date : 08/02/2016 06:19
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134