Nankaiza ry foko (Tanantsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ry foko no misento maraina?
Toa vetson-toloko sy hiran-taraina
No misandratr’izao, manangoly ny anaty
Toa hiran-talaho, ka mila tsy ho tanty
Ny maso manjeny, ny saina torovana
Fa mibosesika ombieny ny fahatsiarovana
..........................
Kanefa ry foko, ny omaly ka hafa tokoa
Andro namiratra be nibalika, ka nahoana ary moa?
....................................
Fa nankaiza ry foko irony tsiky maraina?
Tsy nisy toloko, tsy nahenoana taraina
Nankaiza ireo kalonao, tsy afaka am-bava?
Tsy nosemban’ny talaho, sy nahamiran-tava
Nankaiza ny herim-panahy nanefy ny saina ho vonona hatrany?
No izao toa feno ahiahy miatrik’ity androany!
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana - embona
943 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tanantsoa
Inséré par : Tanantsoa
Date : 09/08/2017 09:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139