Ny havako (TanjonaMihaSoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hoe havako
Dia ireo iray rà amiko
Izay tsy azoko ialana
Na misy aza ny tsy mahatamana

Ireo no hiraisako adidy
Amin’ny fotoana tsy azo ialana
Io rohim-pihavanana io mantsy sarobidy
Ka na soa na ratsy, dia tsy mety fafana,

Satria, mety misy ny fisainana tsy mitovy
Ny ady lalina mety hanahirana
Saingy havana, ka fatotr’ireo loharano nipoirana
Tsy afa-misarak’adidy, tsy afaka ny hisafidy

Koa ry havako mandra-maty,
Mifanaova anie ny soa sy ny tsara,
Aoka ho sanatria ny hoe « hasoso-paty »
Ka ho mamy no hameno ny tantara

Tanjona MihaSoa
04/02/2024
--------
Lien:
74 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TanjonaMihaSoa
Inséré par : TanjonaMihaSoa
Date : 09/08/2024 22:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129