VOAOZONA (Telonohorefy)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOAOZONA

Marivo tototra loatra ny laingany
Ka nofokarin'akoho tokana anaka
Vao hitako ratsy fitsaika ny fiaingany ,
Narindriko ilay vavahady nibànaka

Ny eto hono, mantsy , tanànan'ny fetsy
Ny fon'olona eto malain-kava-manana
Ny eto , izay "atsy.." tahaka ny "etsy.." :
Miaina amin'ny rivo-pamingampinganana

Dia fiaraha-monin'ny tia siosio
No toa fokon'olona mara fisaina
Tsy mety mahita izay tombony anio
Maty fanahy , vozonan'ny laina !

Gaga aminao aho ry iray fokontany
Mijoro kanefa toa he mihozongozona.
Lany fotoana aho raha mbola hanontany
Fa raisiko fotsiny ho "olom-boaozona"

?✍ Telonohorefy
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
212 0
Commentaires
Ralovarj ( 20/06/2023 06:12)
kanto ary tena tiako, mirary soa ho an'ny mpanoratra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Telonohorefy
Inséré par : Telonohorefy
Date : 11/06/2023 18:26
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136