RITRA FITIA (THINA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RITRA FITIA

Marary ho azy ny foko
Ataoko ahoana re
Ny fambara aminy
Izay rehetra any an-tsaiko
Tsy leo azy aho
Tsy mankahala koa
Fa tsy tsapako mahamay
Ny any anatiko any
Rehefa hitako izy
Toa safidiko ny hangina
Ny topimasoko aza
Tereko mba hitsiky
Ka tsy afaka ho aiza
Ny foko efa voafatony
Dia mionona aho na dia...
Efa ritra aza ilay fitia

Thina - 4.3.14 - 9.44
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
869 1
Mpakafy: rasoa15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : THINA
Nampiditra : Tsikisariaka
Daty : 04/03/2014 13:34
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134