TSY IANAO NO TIAKO (THINA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IANAO NO TIAKOIzaho lay nankafy
Nankamamy tsotr’izao
Naneho ny foko hoe tia
Dia tsoriko aminao
Fa tsy ianao aloha no tiako
Fa ny fitiavanao no mamiko
Tanterakao ny faniriko
Izay no fahasambarana amiko
Resin-tsento aho omaly
Dia somokotra ianao
Nampitsiky, nampifaly
Izany fo anatiko ao
Voafafanao tokoa ny jaly
Namatotra ahy hatrizao
Reko mirana ny aiko
Vao mikarakara ianao
Voatohatohana aho, lazaiko
Izay no tiako fa tsy ianao
Thina 12.10.09
--------
Lien:
Catégorie :
Hambom-po
Fans:
rasoa15