Commentaire à propos de HITIA MANGINA AHO ZANY

Revenir à HITIA MANGINA AHO ZANY
mangidy ( 19/11/2009 23:12)
Ilay Fitiavako mangina
Maniry ho anilanao ry tiana
Hokoboniko ato anaty
Inoako fa tsy ho mandra-maty

Hanjary ho nofiko ny hatory
Nahatonga sorisory
Mibahana mameno ny alina
Mampifoha misasakalina

Rehefa ho tonga ny maraina
Injao ilay foko mitaraina
Mitamberina ny ankaso
Indreo fa kotsa indray ny maso

Niezaka aho ny hampitony
Ity fo tsy mety intsony
Koa mifona aho ry Ray
Ianao mpandahatra mahay

Raha toa moa hadisoako
No nitia an-tsokosoko
Dia ilay ventsom-paniriana
Naniry ny hanana olontiana
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1224