Hafatr'I Neny (Toky Todinirina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zanaka hendry tinaizan'ny tsahaSikino ny hery ifikiro ny zoto
Ilay fahendrena tsy mena-mitaha
Tafio fiarovana mba tsy haloto
Tsy vitsy ireo olona efa tafita
No tsara sy mendrika hatao ohatra
Tsy manan-karena hianteherana isika
Fa ny fianarana no ataovy tohatra
Ny sedra mpamingana tsy mandao tany
Ka raiso ho adidy ny mitandrin-tena
Raha misy ny olana, izahay eto ihany
Mba hitady izay mamy amin'ny fambolena
Toky Todinirina
--------
Lien:
Catégorie :
Fananarana
Fans:
ampiantsoa - tokyangeloo
