Na ,hono, tsy ho ahy (Daz'art Tolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zazavavy! misaotra anao
fa tsy fidiny hoanao izao
izaho koa aza mba nahatsapa
fa ilay fitiavana lalimpaka
dia mety hivadika tomany
sy alahelo tsy hita lany
nef'izaho tsy hamoy fo
rah'hono tsy anjarantsika roa
"...na dia efa tsisy nanantena
aza dia..." ilay fitiavako tsy hihena
sanatria rah'hoe vonoina
fa mbola ao ilay FINOANA
hampitraka ahy indray
dia ilay fitia mandrakizay
na ,hono, ts'ho mpivady aza
no fitiavana ho sahaza
mba hoanao sy hoahy
TIAKO IANAO na ,hono, tsy ho ahy
.
Bealanana 10/02/16
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana - Fitiavana
1029 1
Fans: delmote
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Daz'art Tolotra
Inséré par : Iarindria
Date : 10/02/2016 07:28
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131