VISAVISA (Tsikia Fitoky)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VISAVISAEto am-pamohizana ny taratra Johary
No ora hampihofo ny tsikiko ho tomany
Etsy amorom-patan’ireo ririnin-dasa
No toerana hipongaran’ny fahiniko nandratra
Eny ampihotazana ny vokatrin’ny ditra
Ho eny ampamoloana hitotoina ny efa vita
Eto am-pamafana ny maso kotsan-drano
No mbola hisokafan’ny varavaran-tsiaro efa nanidy trano
Avy any andalam-panaterana ireo tiana hiverenana
Teny antsefatsefaky ny andro izay niserana
Eto am-panenenana ireo ratsy efa natao
Eto no hiandrandrako ilay maraina vaovao
Eny an-trotroin’ny eritreri-dalina
Ho any anivon-driakan’alahelo sasak’alina
No velom-bisavisa sy mitanisanisa
Ireo lasana fahiny izay nahazoana tsiny
Ka velon-tsentosento sy alahelo tafahoatra
...ny fo koa te hitroatra hitady fanarenana
Kanefa dia indrisy: “ny taona izay nandalo tsy hisy fiverenana”
TSIKIA Fitoky
Aogositra 2021
Andraharo
--------
Lien:
Catégorie :
Fanenenana
Fans:
FitokyTsikia
