REHEFA (Tsinjo RAZAKANIAINA )

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA

Izay kely mba hananako
Hany sisa an-tanako
Ho ento ho anao...

Rehefa maty aho:
Tanisao ny tsara vitako
Vakio milanto ny asa soratro...

Baboy indray ny foko resi-tory fa
Tena kanto maro loko
Irony tononkalo hany voasoratro omaly

Fa ny tsikiko androany
raha sitrakao
Valio
Fa avadiho indray ho tomany...

Rehefa maty aho, ho ento mba ho atao veloma
Ary koa mba 'ndeha ifona
Atsy amin' ilay trano iray mangina:
''Dia ilay tranon' andriamanitra"

Dia misaotra anao naharitra
Niara niombom-pahoriana tamiko...

Tsinjo
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana
1254 2
Commentaires
itiavina ( 14/05/2015 15:06)
mafnartr e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsinjo RAZAKANIAINA
Inséré par : itiavina
Date : 26/04/2015 12:03
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137