TSY TONGA SAINA (TsiRfo-Tsiferana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o,
Raha niantso ny Anaranao
Dia natongilaninao ny sofinao
Amin'ny fo feno alahelo
Hay izaho'ty miboridana na mitanjaka
Eto anatrehanao .
Ry Ray mpanantra o,...
Fantatray fa tena tia anay Ianao,
Nefa izany fitiavanao anay izany
Ataonay kilalao!...
Ry Fanahy Masin'Andriamanitrao
Ankabeazan'olombelona ankehitriny
No tia sy mila voninahitra ety ambany masoandro
Tsy tsarony anefa,...
Fa ny Fahasalamana sy Fitiavana natolotrao anay
Ny haren-tsarobidy indrindra tsy fantatray.
TsiRfo-Tsiferana(V.K.H.M)
Alahady faha,12 Aogositra2012
-Anjanahary-
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
835 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TsiRfo-Tsiferana
Inséré par : TsiRfo14
Date : 31/10/2012 08:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014