mba raiso (tsitola)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Misy maso tsy hitanao fa mijery anao ihany,
misy saina tsy arakao fa mandiny anao atrany,
misy fo tsy tsapanao fa mitempo anao mangina,
misy tia tsy fantatrao fa mandray anao ho tiana".


za tena tia fa tsy nilaza,tsy niteny,tsy namboraka
nanahy ny ho lavinao ka tsy sahy niantsoraka
tsy sahy nibadabada,tsy sahy nitory 'lay fitia
fa nokobonina tao am-po dia tao 'zaho no nankafy.


nankafy ny alokaloky ny fo izay tia mangina,
fa nataotra ny hilaza sy nataotra voakina
ka naleo nangina tsy niteny fa nitia anankam-po
dia ilay fitiavana ombieny,'lay tsy manam-paharoa.


ka.....

"ankehitriny dia haborako aminao ary ho lazaiko ampa-be maso
fa izaho dia tia anao,tia anao aho ka mba raiso."


tsitola
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1153 1
Fans: Ahytsitola
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsitola
Inséré par : ahytsitola
Date : 24/01/2009 10:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019