KAMBOTY (TSIVERIMANDEH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kamboty hono izy,izany hatrany no vetsovetsoiny.
Ka nitarika aretina namotika ny fony.
Nilaozan-dri dada sy neny hono izy,mahatsiaro ho irery.
tapi-dala-kaleha sy mila ho very.
Mitanondrika sy very saina izy sady variana.
Miatrika izay ataon'ireo fianakaviana.
Kamboty!Tsy misy teny fa izany hatrany.
Avy eo toa manembona sy rotsa-tomany.
Kamboty!Izany no kalo mba dradradradrainy.
Lasa areti-mitaiza nanimba ny sainy.
Mandimby Ray tsy satry izy ka misedra fiainana.
JEHOVAH ihany ny azy no itarainana.
kamboty izy,fa aza heverina ho toin'ny tsy misaina.
na ho fetsifetsena,hambakambakaina.
tena tandremo,ho diso fihetsika ianao raha izany.
Fa diniho tsara sy mba saino ihany.
03 Novambra 2016
--------
Rohy:
1191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIVERIMANDEH
Nampiditra : TSIVERIMANDEH
Daty : 12/05/2017 12:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132