Namako ianao (vazivazo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niresaka isika tanaty seratsy voafetra-potoana
Finaritra ery mifanala azy
dia nivazivazy an-tsari-teny
Ny maraina sy atoandro
Dia indro isika
nifanoratra eo foana
Nefa ankehitriny
toa very momoka avokoa ireny
Eny! asa loatra,
tena mba tsy haiko
hoe fa dia naninona?
Izato ianao
toa niova tampoka sy vetivety
Raha izay moa
no mety aminao
dia tsy mampaninona
Nefa hoy aho lazao ihany
Izay nataoko ka hoe tsy nety
Namako ianao hoy aho taminao
hatrany am-boalohany,
teniko izany!
Nefa re’ lahy raha tsy sitrakao
dia tsy mampanahy
aleo aho hangina
Ary am-pitoniana
hitazona ihany
Ilay “ ianao namako” ,
Toa tsy mba manina ahy
Fa miavona hatrany !!!
16 MARTSA 2016
--------
Lien:
Fans:
pia - Hitlerbeofo
Commentaires
hery
(
22/03/2016 22:48)
Mora mangina ve ny finamanana an-tsera?