RY NENY Ô! (Vivaldi)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry neny malala ô,tokana an-tany.
Izay manana adidy sy andraikitra miandry.
Tiko ny hiresaka aminao androany.
Netsehin'ny saiko aho ka tsy tafandry mandry.
*** *** *** ***
Tsy adidy tsotsotra toy ny ara-tsakafo ihany,no andrasana aminao ry neny malala.
Fa ny ara-panahy tsy hisy andrasoandraso fatrarana tsara tsy hanantsahala.
Tsy sodokan'ny endriny,fitafy sy volo amam-bika.
Jereo koa ny ao anaty f'izay no ivo sy hoavin'ity nosintsika.
*** *** *** ***
Tsy ho varina amin'ny asa,na andraikitra maro.
Fa hamalavala ny toe panahin-janaka mba tsy ho lavo.
Ho lasa tanora antoky ny hoavy.
Ka fanafodin-tsaina hoan'ireo manavy.
*** *** *** ***
Eto ampamaranana tiko ny hampahery.
Fotsy ianao na mainty tianay foana ry neny.
Ka ny ady mbola hisy zaho tsy handao anao.
Tiko be mama,voasoratra ampoko ao.
Vivaldi,,.
--------
Lien:
Catégorie : Fianakaviana
1020 1
Fans: johndino84
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vivaldi
Inséré par : Laulne63
Date : 29/07/2018 15:01
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144