‎MITIA MANGINA? (Zandry kely Mitempo Fitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy olona mitia mangina
‎Fa tsy sahy miteny
‎Dia tazominy hoazy irery
‎Na dia miaina fangirifiriana

‎Ny ao an-tsaina lalina
‎Fa hoe hiteny mivantana
‎Dia indro fa misy sakana
‎Sakana hilaza ny marina

‎Dia mitia mangina foana
‎Fa tsy mba sahy mamboraka
‎Satria matahotra sy mivoraka
‎Dia indro fa lany fotoana

‎Tsy omena tsiny anefa
‎Ireo olona mitia mangina
‎Sao mantsy tsy ho tiana
‎Sao mantsy ho diso fiantefa
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
40 1
Fans: Zmf11
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Zandry kely Mitempo Fitia
Inséré par : Zmf11
Date : 04/12/2025 06:34
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114