NY MITIA (Zo Sitrakiniavo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MITIANy mitia dia hasambaran-tsy manam-paharitana
onja iray fitopan’ny fo iray fitepo
teraky ny anjara, ny lahatra…ny vintana
sento iray fiako any anaty riam-betso
Ny mitia tsy voabaikon'ny teny hoe "tsy maintsy"
voafaritra am-boady sy dina mira geja...
fotsiny hoe mila ny fo miara-manaiky
fa ny "TIA" dia afa-miantoka fitiavana hateza
Ny mitia tsy hoe akory... hazo fijaliana
sy zioga mitambesatra tsy manam-pitsaharana
Na aza fihafiana mamelana hafaliana...
ary tonga vony mamontsina hasambarana...
Ny mitia dia mitia tsy mila hoe “satria”
fa ny sento mifampita dia mahavaly izany…
Ny mitia tsy vofatotry ny teny hoe “doria”
fa izany fanirina sy finoana fotsiny ihany…
…
ZO SITRAKINIAVO
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
ravelosonomega