Hampiditra sary
Nampiditra :
rhad
Daty : 24/01/2013 16:47
Nijery : 501
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 24/01/2013 16:47
Nijery : 501
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
NY TANTARAKO
Te hamboraka aminao ny nameno ny tontoloko ahoTiako ho tsorina aminao reo nandavo ny tomoriko
Saingy
Ny afotroan’ny hirifiriko, tsy mety mba mangina
Fa mankahatr’aman’aina, ny farareomotry ny foko
Dia migorogorona foana, mba hampiferinaina
Mirara-boa ny votoatiko, fa nidarabo-tan-trotrony
‘lay pitik’hafaliana nentiny, ho tsangan-tsiry sy andrareziny
Amin’ny androny mamony
Tonga antaravelona aho volotara iray voaoty
Raozy sarak’aman-taho vetivety dia voahosy
Nataoko mihitsy ny hampangina reo ferim-panaintainako
Notakonako ho dila ny alahelo nirafetako
Mba ho mamy no irehetako sy handoroka ny fiainako
Saingy voaroba ny talentako
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-tantarako
Tononkalo ( 0)
Tsy misy tononkalo hita.
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa